Bungalow Les Boungainvilliers Bungalow - The Boungainvilliers Bungalow The Bougainvilliers
Contact
Accueil

Proverbes Malgaches - Ohabolana Malagasy > Momba ny Fitiavana

 

1. Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra.

2. Aza mitsipadoha laka nitana.

3. Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.

4. Aza atao fitia ranontrambo be fiavy fa mora ritra.

5. Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.

6. Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.

7. Ny fitiavana toy sorajandiana ka samy mifidy izay tiana.

8. Izay tiana mitombo tarehy.

9. Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.

10. Milaza hoe tsy tia, tsy tia ; kanefa tsy manidy trano.

11. Raha maty aho matesa rahavako.

12. Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.

13. Aza manao fihavanan-karena ka tomany handratra ny sasany.

14. Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy.

15. Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vangy.

16. Izay iray vatsy iray aina.

17. Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay.

18. Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo.

19. Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.

20. Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadijafy intsony.

21. Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitapi-maso hahazo ozona be.

22. Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.

23. Tsy misy fitia fito taona , fa ny sisan'izay fihavanana.

24. Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana , an-koditra vao mahangoly.

25. Aza atao toy ny fitia varavarana, ka tiana ihany fa atositosika.

26. Tsa misy fo mahafoy vady hoe, fa ny maso no te hanan-droa.

27. Sora-damba an-tsena ny fitiavana , ka samy mifidy ny tiany.

28. Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola.

29. Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana.

30. Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.

31. Fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!

32. Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry.

33. Tiambady ka mahay miresaka.

34. Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty.

35. Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.

36. Aza manao fitia paraky, ka hatreo ambava no ho miakatra ihany.

37. Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.

38. Mifankatia amin'amalona,: ka nony sendra tia, nabolilany.

39. Mody tsy tia, koa lefaka.

40. Tia ihany ka be malo.

41. Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?

42. Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo no miarahaba.

43. Ny fitia toy ny ketsa, afindra vao miroborobo.

44. Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.

45. Ny fitiavana tahaka ny afo : raha lalaovina mandoro, raha koloina maha-masa-bary".

46. Fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany.

47. Lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana.

48. Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna.

49. Ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo.

50. Aza atao fitia telefônina ka raha tsy maneno tsy tsaroana.

51. Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androantokom-pitiavana.

52. Mifankatia tsy mifamarafara : ady no farany.

53. Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro.

54. ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa.

55. Tsy mahavaly fitia toa zaza.

56. Ikalamomba tsy tiandahy ka maty vao Ramalala.

57. Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.

58. Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina (hitsakitsahina).

59. Fitia savony, tiana fa avalana rano.

60. Fitia kiraro, tiana ihany fa itsakitsahina.

61. Aza atao fitia siligaoma, lany ny mamy dia ariana.

62. Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila.

63. Saro-tiavina toa landy mohaka.

64. Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia.

65. Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika.

66. Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra; halavirina, manatona.

67. Aza manao fitia mifono avona.

68. Fitia lamban'akoho , aina no fetra.

69. Tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano.

70. Tsy tia maro toa mpamosavy.

71. Ataovy fitian-dranon'erika: madinipihavy fa mahatondra-drano.

72. Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo miarahaba ihany.

73. Mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny.

74. Hazo sy vorona, izay manina no manatona.

75. Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana.

76. Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro.